Antso avo avy amin’ny Fitondrana Tetezamita

Ny dinika famahana ny olana ara-politika tany Addis-Abeba dia niafara tamin’ny fanaovana sonia ny tovan’ny satan’ny Tetezamita.  Tsy mendrika ny mpitondra fanjakana rehetra voakasika amin’ny fifanarahana ary tsy azo ekena ny fandikàna vilana sy ny famoronana ny zavatra tsy voarakitra tao.

Nitondra tsirim-panantenana teo amin’ny mpiray tanindrazana ny hifaranan’ny krizy politika tanteraka ny fanaovana sonia iny fifanarahana iny.
Marihina fa tonga tamin’izao dingana fanaovan-tsonia izao ny firenena malagasy noho ny finiavan’ny tsirairay ary ny foto-pisainana politikan’ny fisokafana nananan’ny Filoha Andry Rajoelina izay filohan’ny Tetezamita sady filoham-panjakana araka ny voarakitra ao anatin’io tovana io ihany satria tsy vao anio na tamin’ny andro nanaovana sonia ny fifanarahana ihany no niantso fifanantonana ny filohan’ny Tetezamita fa efa hatriny ela.

Tsikaritra anefa fa ady toerana, fiadiana tombotsoa  ary fiadiana voninahitra  no nibahan-toerana hatramin’ny fiverenana avy tany Addis Abeba.
Misy endrika fanalam-baraka sy finiavana handetika ny firenena mihitsy aza noho ny ny fisolokiana andraikitra izay tiana hatao ankehitriny.
Miendrika fanakorontanana saim-bahoaka ny fanaovana tsinotsinona ny fitakiana fanovàna; ny fihetsika asehon’ny mpanao politika sasany amin’izao fotoana izao.

Raha eo amin’ny fizarana ny ministera dia tokony hipetraka amin’ny lojikan’ny tanjon’ny Tetezamita ny  fangatahana avy amin’ireo firehana samihafa.

Andraikitry ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny maha filohan’ny Tetezamita sy amin’ny maha filoham-panjakana azy ny fitandroana ny hisian’ny fitonian’ny saim-bahoaka arak’izay  fanapahan-kevitra rehetra raisina eto amin’ny firenena.

Andraikitry ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny maha filoham-panjakana azy ny manao izay hampandeha ny raharaham-pirenena fa tsy iandrasana ny famahana ny adilahy politika lava izao.

Andraikitry ny filohan’ny Tetezamita ihany koa ny fiarovana ny tombotsoan’ny besinimaro na inona na inona mety ho tombotsoa manokana takian’ny firehana samihafa.

Ny firenena malagasy dia misy filoha mpitantana, tsy azo ekena ary tsipahina ankitsirano ny fanomezana sary sadasada ny firenentsika.

Ny fifanarahana tany Addis-Abeba dia manamafy ny maha filoha mpitarika ny Tetezamita sy filoham-panjakana an ’andriamatoa Andry Rajoelina. Misy araka izany ireo andraikitra sahaniny izay voafaritra ao anaty ny satan’ny Tetezamita ka tsy maintsy tanterahina.

Antso avo no atao ho an’ireo firehana politika mba samy handray andraikitra amin’ny rafitra misy azy avy satria korontana mahamenatra no fijerin’ny vahoaka ny fitondrana ankehitriny vokatry ny teny diso tafahoatra, ny fihetsika mihoatra ny mety ary noho ny fanodikodinana ny saim-bahoaka amin’ny hevi-diso.

Inoana anefa fa vahaolana ho an’ny fananganana ny governemanta iraisana ny faneken’ny mpanao politika na ireo firehana fa:

  1. Miandrandra ny hisian’ny fifidianana ny besinimaro ka olona manana finiavana ho tonga amin’izany tanjona izany no tadiaviny.
  2. Mitaky fitoniana ny fiarahamonina mba ahafahan’ny mpianatra mianatra sy ny mpiasa miasa, ka olona afaka mametraka izany fitoniana sy fifampitokisana amin’ny vahoaka izany no ilaina.
  3. Mitaky olom-panjakana matotra, tia fahamarinana ary olona tsy hanala-baraka an’i Magadasikara eto anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mahay mitondra tena ho toy ny olom-panjakana no tokony handray adidy amin’ny fitantanana.
  • Efa nahapotika ny firenena Malagasy ny fitiavan-tena, ny fitiavan-tseza, ny fizahozahoana ary ny famafazana lainga.
  • Efa nahapotika ny taranaka nifandimby ny fikorontanana ara-politika izay miantraika any amin’ny seham-pampianarana avy hatrany.
  • Efa nahapotika ny firenena malagasy ny ampihimamba ara-toe-karena sy ny fitantanana mitanila sy tsy mazava tamin’ny orinasam-panjakana maro .

Noho izany: adidin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny maha filoham-panjakana azy ny mitandro toy ny anakandriamaso mba hiarovana ny tombotsoan’ny mpandraharaha rehetra tsy an-kanavaka mandritra ity Tetezamita ity na dia ho fotoana fohy ihany aza izany.

Misy ny rafitra isan-tokony izay tokony hifantohan’ny firehana samihafa ny fanaganana azy toy ny CST, CNR, Congrès, CES…

Koa manainga ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena sy ny firehana politika ary ny fiarahamonim-pirenena sy mpitantana voatondro ny filohan’ny Tetezamita mba handray ny andraikitra tandrify azy avy ary hametraka ny soatoavina ho ambonin’ny zavatra rehetra.

 

Ambohitsorohitra faha 17 novambra 2009

Ny Fiadidiana ny Tetezamita


FANAMBARANA
***


Eo anatrehan’ny fanambarana tamin’ny haino aman-jery izay nataon’i Andriamatoa Praiministra Monja Roindefo Zafitsimivalo androany sabotsy 10 oktobra 2009,

Izahay mpikambana ao amin’ny goverinemanta dia manao izao fanambarana iombonana izao:

Noho ny foto-kevi-dehibe ho fiarovana ny tombotsoa ambony ny firenena sy ny soatoavina tsy maintsy hajaina amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ho fanajana ny fampiharana ny satan’ny Maputo, dia tsy miombon-kevitra mihitsy amin’ny fanambarana nataony iny, ny Praiministra lefitra, ny Ministra rehetra ary ny Sekreteram-panjakana rehetra ao anaty ny goverinemanta no sady tsy mandray baiko avy aminy intsony.

Noho izany, dia mangataka amin’ny Filohan’ny Tetezamita ny mambra rehetra ao amin’ny goverinemanta mba ho amin’ny Filan-kevitry ny Ministra no andraisana ny fanampahan-kevitra rehetra amin’ny fampandehanan-draharaham-pirenena.

Marihinay fa izahay manao izao fanambaraana izao dia manohy ny asanay andavanandro mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao.


Tenin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
noho ny fahalasanan’i Ramilisaona Besigara

Ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andry Rajoelina dia tohina tokoa amin’ny fahalasanan’i Ramilisaona Besigara, reharehan’ny kolontsaina malagasy. 30 taona mahery izao no nanadratany sy nitondrany avo ny harenan’ny kolontsaina malagasy tamin’ny alalan’ny hira sy dihy nentin-drazana  izay nireharehany manerana izao tontolo izao ary tsy nampitsanga-menatra azy ny nampitaha izany amin’ny an’ny hafa. Anisan’ny nitaiza sy nanabe ny Malagasy tamin’ny alalan’ny mozika nentim-paharazana i Ramilisaona ary nampita ny talentany mba ho lovan’ny taranaka fara mandimby mba hanana ny mahaizy amin’ny lafiny kolontsaina.

Koa miondrika am-panajana eo anatrehan’ity sangany sy andrarezin’ny vakoka sy ny kolontsaina malagasy ity ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny mpiara-miasa aminy.

 

Ambohitsorohitra faha 16 septambra 2009

 

Ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita


FANAMBARANA
----------


Eo anatrehan’ny voina nitranga tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Foulpointe, distrikan’i Toamasina, ny tolakandro teo, ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia mankahery ireo naratra sy ny  fianakavian’ny niaram-boina.
 Manoloana iny voina iny dia nisy avy hatrany ny fivorian’ny tomponandraikim-panjakana notarihin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nandinihana ny fanampiana ireo fianakaviana niaram-boina ireo.
Toy izao ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra io fivoriana io : hidina avy hatrany any an-toerana ireo solontenam-panjakana hijery ifotony ny zava-misy ary hitondra izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo tra-boina ireo mba ahafahan’izy ireo miatrika ny voina nahazo azy.

Vokatra vonjimaika avy amin’ny BNGRC :

  1. tra-boina : 2800
  2. fahasimbana : 555 tafo, fiara 6
  3. naratra : 6 ka ny 2 dia efa nalefa any Toamasina
  4. Anton’ny haitrano: fianakaviana niala-sasatra nahandro sakafo teo akaikina fiara ka nitarika fahamaizan’ilay fiara

Vola 50 tapitrisa ariary sy fitaovana isan-karazany no natokan'ny fitondran'ny Tetezamita ho an'ireo traboina ka Ramatoa Michèle Ratsivalaka, Mpanolontsaina manokana misahana ny raharaha ara-sosialy no hitsinjara io fanampiana io.

 

Ambohitsorohitra faha 17 aogositra 2009

 

                                            Ny Mpitondra tenin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita


Hafatra avy amin'ny Filoha Andry Rajoelina

nohon'ny fahatongavan'ny ekipa breziliana

eto Madagasikara

« Betsaka ireo mpankafy baolina kitra eran-tany no mba te-hahita izany mpilalao baolina kitra breziliana sy tompondaka eran-tany izany. Isika malagasy no nahazo tombony satria mifankahita tava sy mifanerasera amin’izy ireo indrindra fa ireo tanora zandry vao misondrotra, ho avin’ny fanatanjahan-tena sy ny baolina kitra malagasy. Tonga hizara traikefa izy ireo. Raha te ho lasa lavitra eo amin’ny sehatra rehetra dia fanararaotra ny fifandraisana eo amin’ny ohatra velona amin’ny mahamatianina sy fitaratra mba ahatongavana amin’ny sehatra avo lenta. Midera ny foto-pisainana tia mifampizara ny tenako satria ny fahombiazana dia tsy vitan’ny fahaizana fotsiny fa tena rafi-pisainana ihany koa.»





 



Ny Minisitry ny Fifandraisana, Andriamatoa Gilbert Raharizatovo :
"Tsy tapaka mihitsy ny famatsiam-bolan'ireo Mpamatsy vola mahazatra"
(TVM, 18 Jona 2009)


FANAMARIHANA
-----------------

 

Ny Fitondrana Tetezamita dia nanome endrika fihenoana sy fifampihenoana ary vonona hitady vahaolana maharitra rehefa nangataka ny hifampidinihana ny hery samihafa. Marihina fa ny tanjona voalohany tamin’ny fifampidinihana teny amin’ny Carlton dia ny ahitana vahaolana tsotra sy entitra momba ny fivoahana amin’ny krizy izay nofintinina tamin’ny fanaovan-tsonia ny « charte de transition ». Noho ny fahatsapana fa mivoana tanteraka amin’ny famaritana napetraka teny ampiandohana ny resaka natao ary hita ombieny ombieny ny fisitahanan’ny mpifampidinika, ny Fitondrana Tetezamita  izay tarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina dia mampatsiahy fa tsy mahasoa ny firenena ary tsy midika fitiavan-tanindrazana ny fivoriana lava reny mivadika ho fikatsahana tombontsoan’olom-bitsy ankehitriny. Voamarina ihany koa fa tsy manaraka ny fifanarahana hatrany am-piandohana izay efa nekena sy nosoniavin’ny ankolafy Ravalomanana ny fifampidinihana misy amin’izao fotoana izao isan’izany ny faneken’izy ireo ny tsy hiresahana ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Noho ireo antony voalaza teo ambony ireo dia nanapa-kevitra ny aty amin’ny ankolafy Andry Rajoelina fa hiala ao anatin’ny fifampidinihana. Marihina fa ny fanaovan-tsonia ny charte de la Transition no nifanarahana ary kendrena ao anatin’izany ny fitadiavana vahaolana amin’ny fivoahana amin’ny krizy. Tsy izay anefa no mitranga ankehitriny fa ny  fitadiavana famotsoran-keloka izay tsy mifanaraka velively amin’izany tanjona napetraka izany. Heverina anefa fa tombontsoan’ny vahoaka no tadiavina fa tsy tombontsoan’olom-bitsy, ny famotsoran-keloka anefa dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoan’olom-bitsy.


VONONA NY FILOHAN’NY FAHEFANA AVON’NY TETEZAMITA

Lapan’ Iavoloha, 11 Jona 2009

Nandritra ny fandraisan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fitenenana  taorian’ny fanolorana ny fehin-kevitra nandritra ireo fihaonam-be roa (fihaonamben’ny miaramila sy ny fikaonan-doham-pirenen’ny tanora) dia nanome toky ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fa :

Nanoloana ny fehi-kevitra natolotry ny solontenan’ny tafika dia:

  1. Vonona hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny tsirin-kevitra nivoitra sy tapaka nandritra ny fihaonamben’ny miaramila ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita. “Misy amin’ireo tsirin-kevitra ireo no azo tanterahina tsara” hoy ny filoha Andry Rajoelina toy ny tsy fidiran’ny tafika amin’ny resaka politika.  Voakasik’izany ny famehezana ny lalàna mamaritra ny fifandraisan’ny foloalindahy sy ny manam-pahefana sivily.
  2. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa « cellule » maro no noforonina nandritra ireny korontana teto amin’ny firenena ireny mba nahafahana nifehy ny filaminana. Koa rariny sy hitsiny raha ny tompon’andraikitra mivantana amin’izay no mandray an-tanana ny famerenana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena ankehitriny.
  3. Hojerena ihany koa ny lafiny sosialy ho an’ireo tafika malagasy na ny mbola amperin’asa na ny efa misotro ronono satria tokony ho modely mandrakariva ny tafika amin’ny fanatanterahana ny teny filamatra hoe: Ho an’ny Tanindrazana

Dingana lehibe teo amin’ny tantaran’i Madagasikara iny fihaonan’ny fianakaviam-be ny foloalindahy malagasy tamin’ny faha 27 sy 28 ny volana may teo iny. Fotoana nahafahana nifamela heloka sy namitrana fihavanana teo amin’ny mpiray tanindrazana sy mpiray antoka ho an’ny filaminana.
Tahaka izay koa ny fihaonam-ben’ny tanora natao tamin’ny fiandohan’ity volana jona ity. Andro manan-tantara satria afaka niaka-dapa ny tanora sy ny hevitra novolavolain’izy ireo. Sambany no nisy fotoana natokana hiainoana ny tanora toy izao teo amin’ny tantaram-pirenena. Porofo izao fa manome lanja manokana ny tanora an-tapitrisany maro voasolo tena tamin’ity fotoana ity ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tarihan’ny filoha Andry Rajoelina.

  1. Nandritra ity fotoana nanolorana ny fehin-kevitra tamin’ny fikaonan-doham-pirenen’ny tanora ity, niaiky ny filoha Andry Rajoelina fa mahavita zavatra ny tanora rehefa omena lanja sy omena sehatra ivelarany an-kalalahana.
  2. Rehefa avy novelabelarina nandritra ny minitra maromaro ny fehin-kevitra dia tsapa fa misy ny azo tanterahina avy hatrany hoy ny filoha Andry Rajoelina. Koa manoloana izany dia naneho ny fahavononany ny filohan’ny HAT hanampy sy hanosika ny tanora eto Madagasikara.
  3. Vonona hiara-hientana hanangana Madagasikara vaovao sy hifanome tanana hirosoana any amin’ny dingana manaraka dia ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra ireo.

Ho setrin’izay tsy fanadinoina ny tanora eo amin’ny fitadiavam-bahaolana sy tetika hampadrosoana an’I Madagasikara izay dia nanome toky ny solotenan’ny tanora tonga teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha io maraina io fa vonona hanampy ny Fahefana Tetezamita  na amin’ny hevitra na amin’ny fihetsika na amin’ny asa.

Ankoatra izay dia nanolotra anarana roa ny solotenan’ny tanora, olona izay heverin’izy ireo fa mendrika ny hiaro ny tombotsoan’ny tanora malagasy sy hampiatra ny politika novolavolain’izy ireo mifanaraka amin’ny hetahetan’ny tanora ankehitriny.

  1. Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena: Andrianjato Vonison Razafindambo
  2. Ministry ny Fambolena sy Fiompiana ary Jono: Veloson Tsirafy

Marihina fa mbola soso-kevitra ihany ny an’ireo solotena ireo fa ny filan-kevitry ny ministra no tompon’ny teny farany amin’ny fanendrena izay ho tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny toerana banga ao amin’ny governemanta tetezamita.

Fitiava-tanindrazana

Hita sy tsapa nandritra iny fikaonan-doham-pirenen’ny tanora iny ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ny Tafika Malagasy sy ny fitiavany hamerina ny filaminana eto amin’ny firenena indray. Modely ho an’ny tanora rahateo iny fihaonan’ny fianakaviam-ben’ny tafika teny Ivato iny ka nampifoha ihany koa ny fitiavan-tanindrazana tao anatin’ny tanora malagasy ka nahatonga azy ireo hivondrona hiara-hijoro sy hiara-hientana hitady hevitra amin’ny hanorenana Madagasikara vaovao.


Ity toerana ity dia natokana ho an’ny Malagasy rehetra eran-tany. Izay no antony nanaovana azy amin’ny teny Malagasy ranofotsiny. Hisy sary, soratra, feo ary video.
Ny hisantatra azy ary dia ny fanambaran’ny Filohan’ny HAT, Andry Rajoelina, tamin’ny fitsingeranan’ny taona nahaterahany (30 may 1974).

Lapa-panjakan’Iavoloha – 2 jona 2009